Ny natao hitarika ny olona amin’ny lalan’ny fahamarinana indray no namoafady. Pastera amina fiangonana sekta iray any Sambava no voarohirohy ho nanolana zazavavy kely, 6 taona. Nilalao tsy lavitry ny fiangonana no sady misy ny trano fonenan’ilay pastera ilay zaza no nantsoiny ka notambazany

. Rehefa tafiditra tao anaty fiangonana dia nentiny tao ambadiky pilipitra ilay zaza ary novetavetainy tao. Afaka andro vitsy dia nitaraina ho marary ilay zaza ka nentina namonjy hopitaly. Nilaza ny mpitsabo nizaha azy fa simba io zaza io. Nanambitamby ilay zazavavy kely ny ray aman-dreniny mba hilaza izay nanjo azy. Latsa-dranomaso ilay zaza nitantara tamin-dreniny sy teo anatrehan’ny anadahiny fa naolan’i pastera izy. Nametraka fitoriana avy hatrany ny ray aman-drenin’ilay zaza taorian’izay. Nampandrenesina ihany koa ny sampandraharahan’ny mponina sy ny tambajotra miaro ny zon’ny zaza. Vao nahalala fa fantatry ny ray aman-drenin’ilay zaza ny zavatra mamoafady nataony dia nandositra aty an-drenivohitra ilay pasitera sekta.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.