Zava-doza ny delestazy sy rano tapaka

Manambana hihetsika indray ny vahoakan’Itaosy


  • Zoma 26 Aprily 2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

distrikan’Atsimondrano eny. Ho an’Itaosy tampon-tanana kaominina Itaosy manokana raha araka ny fitarainan’ireo mponina dia fantatra fa efa nanomboka tamin’ny Alakamisy teo ny rano no tapaka. Voatery manenjika faritra ambany misy vovo avokoa ny mponina vokatr’izany nefa ny andro tena mafana. Tafakatra 100 Ar no hividianan’ny mponina ny rano iray bidon miloko mavo raha ny fitarainana voaray hatrany. Mahatratra 10 bidon any ho any anefa vao ampy ny tokantrano iray isan’andro indrindra raha misy lamba sasana. Velon-taraina fatratra ny mponina vokatr’izany. Mikasika ny jiro indray dia vao omaly Alakamisy 25 Aprily hariva no tapaka nandritra ny ora iray teo ho eo indray ny jiro teo Andranonahoatra sy ny manodidina, mbola faritr’Itaosy ihany. Betsaka ireo tsy afaka nanokona sakafo avy hatrany vokatr’izany nefa efa reraka avy niasa fa tsy maintsy niandry ho an’ireo mampiasa fatana mandeha amin’ny herinaratra. Toraka izany koa ireo miasa amin’ny alalan’ny solosaina any an-tokantranony izay voatery nipetra-potsiny ihany koa….Nomarihin’ny mponin’Itaosy moa fa tahaka izao hatrany no fiandohan’ny fahatapahan-jiro sy rano lavareny hataon’ny JIRAMA eny Itaosy eny. Miantso ny JIRAMA mba hitady vahaolana maharitra izy ireo noho izany hisorohana ny mety ho fahatezeram-bahoaka.
Pati
Legende : Atahorana hitokona tahaka ihany koa ny mponin’Itaosy raha mitohy izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT