Zava-doza nitranga tany Behenjy

Naolan’ilay zazalahy tamin’ny tanany sy hazo ilay zazavavikely


  • Zoma 08 Martsa 2024

zava-doza no nitranga tany Andriambilany Behenjy andro maromaro lasa izay.

Zazalahy kely kambana izay samy 11 taona no nanolana zazavavy kely vao 6 taona monja iray sekoly aminy. Raha araka ny fantatra dia hazokely sy ratsan-tanana no nampiasain’izy roalahy nisokirana ny fivavian’ity zazavavy kely ity. Ny ra sy ny tsiranoka fotsy nivoaka tamin’ny fivavian’ilay zazavavy kely no nanaitra an-dReniny ka nanosika azy ireo hanatona mpitsabo nizaha ny fahasalamany. Raha araka ny fantatra dia tany an-tsekoly nandritra ny fotoana fakan-drivotra no nanaovan’izy roalahy kambana ilay fanolanana. Notambatambazan’izy ireo vatomamy tany amin’ny trano fivoahana ilay zazavavy kely satria efa mpiara-milalao aminy. Noesorin’izy ireo ny kilaotiny nandritra izany ary notsindrominy tamin’ny hazokely sy ny ratsan-tanana ny fivavian’ilay zaza. Dimy andro taty aoriana vao hitan-dReniny fa misy tsiranoka fotsy mamofona sy ra mandeha ny fivavian’ilay zanany kely tsy manan-tsiny ka rehefa nanontaniana ity farany dia nilaza fa ry kambana no nanao fihetsika mamoafady taminy. Niaiky ny asa ratsy nataony izy roalahy teo anatrehan’ireo Ray aman-dReniny. Narahina daholo ny fepetra manokana mikasika ny zaza tsy ampy taona ary nanaovana tatitra tamin’ny tonia mpampanoa lalàna ao Ambatolampy ny zava-misy. Ity farany no namoaka ny fepetra nanafahana vonjimaika azy roalahy kely, ary noferana tsy hanakaiky na handalo ny toerana misy ilay zazavavy kely izy. Ankoatra ny resaka filalaovana finday moa dia inoana fa misy andraikitry ny lehibe amin’ny fihetsika mamoafady hatao eo imason’ny ankizy ihany koa ny tranga tahaka izao.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT