Actualités

Zava-doza ao Toliara 12 taona no zandriny indrindra amin’ireo mpivaro-tena


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Miha mahazo vahana ny asa fivarotan-tena ao Toliara ao. Raha araka ny vaovao azo dia 12 taona no zandriny indrindra amin’izany raha misy efa mihoatra ny 50 taona no zokiny indrindra.

Saika ahitana azy ireny avokoa rehefa mety elakelan-trano any an-toerana hoy ny vaovao. 3.000 Ar no maka mora indrindra maka vehivavy mpivaro-tena iray raha 10.000 Ar no lafolafo ho an’ireo efa miakatra amin’ny sokajy somary ambonimbony. Raha araka ny fanadihadiana natao dia noho ny fahasahiranan’ireo vehivavy any an-toerana no tena manosika azy ireo hivaro-tena. Ao ireo tsy afaka mandia ny varavaran-tsekoly intsony noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReniny ka lasa mivary lavo any amin’ny asa fivarotan-tena mba hahazoam-bola ankoatra ireo efa tokony hiasa nefa tsy mahita izany ka lasa manaotao foana. Ahiana mafy ny mety hiparitahan’ny otrik’aretina VIH SIDA any an-toerana noho izany. Saika tsy misy manao fiarovantena rahateo ireo mpivarotena ao Toliara hoy ny vaovao fa mandeha amin’izao fotsiny. Tsiahivina moa fa misy amin’ireo mpivaro-tena ao Toliara no mampiasa fanafody gasy ka manjavona ny fivaviany rehefa tonga any amin’ny sambra hoy hatrany ny vaovao. Lehilahy maro no efa lasibatra noho izany.
Pati
(sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT