Tena mampatahotra ny hoavin’ny tanora Malagasy. Raha mahatratra hatrany amin’ny 4.403.000 mantsy ireo zaza miditra eny anivon’ny Sekoly Fanabeazana Fototra dia ny 1.114.000 na 25% amin’izy ireo no mba mandia ny Kolejy Ambaratonga Faharoa.
Tsy misy afa-tsy zatovo miisa 263.000 na 5% sisa no hany mahatojo ny eny amin’ny lisea. Manatombo ihany koa ny sanjila ho an’ireo ankizy mipetraka an-tanàn-dehibe mihoatra amin’ireo namany monina eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Miabo 1,5 avo heny io antontanisa io ho an’ireo manovo fahalalana ao amin’ny CEG ary miakatra avo 2 heny kosa izany ho an’ireo mahavita ny kilasy faha-3. Voatondro molotra foana matetika ny tsy fahampian’ny mpampianatra. Ny zava-misy anefa dia tsy mahasarika ny olona ny asa fanabeazana noho ny karama ambany izay 9 alina ariary isam-bolana. Tsy mahagaga raha ratsy ny voka-panadinana satria mibahan-toerana eto amin’ny firenena ireo mpampianatra FRAM tsy manana ny fahaiza-manao izay miisa 6 alina mahery ankehitriny, araka ny valin’ny fanadihadiana nivoaka. Mila fanamafisana ny fahalalan’ireto mpampianatra karamain’ny ray aman-dreny ireto izay mandrafitra ny 2/3-n’ny mpampianatra eny amin’ny EPP hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.