Actualités

Zaridainan’Ambohijatovo 500 Ar ny saram-pidirana, mampitaraina ny olona


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Mampitaraina ny ankamaroan’ny mpitsangatsangana nanomboka tamin’ny Alatsinain’ny Paska teo ny vidim-pidirana 500 Ar isan’olona tsy maintsy aloha rehefa hiditra etsy amin’ny zaridainan’Ambohijatovo

Misy amin’ireny olona ireny mantsy no mba te-hiala voly kely sy hitondra ireo zanany haka rivotra ary tsy manana afa-tsy saran-dalana hiverenana mody, indrindra fa rehefa faran’ny herinandro. Vokany, lasa mihainohaino eny ivelany fotsiny ny sasany. Toraka izany ihany koa ireo mpianatra mitady toerana mba hisakafoanana atoandro rehefa andavanandro. Tokony hahidina 200 Ar izany raha araka ny hevitr’ireo olona sasany raha vola hikojakojana ny ivon-toerana tahaka ireny no tena olana. Io mantsy no mba mety ho zakan’ny sarambabem-bahoaka hoy izy ireo. Mikasika ny tranga tamin’ny Alatsinain’ny Paska teo moa dia fantatra fa tena hipokon’olona tokoa ny zaridainan’Ambohijatovo. Tampoka tamin’ny ankamaroan’ny olona io fidirana 500 Ar io saingy na izany aza samy niezaka ny rehetra nanao izay vitany nampifaliana ny ankohonany. Ny fidinan’izany ho 200 Ar noho izany no handrandrain’ny maro mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta ho avy izao izay homarihina ny 28 sy ny 29 mey.
Pati
Legende : Nantenain’ny olona ho maimaimpoana ny fitsidihana ny zaridainan’Ambohijatovo kinanjo …..
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT