Tontosa soa aman-tsara omaly teny amin’ny «clinique Malaza» Andoharanofotsy ny fandidiana «hernie» an-dRakotoarimanana Zarasoa, 3 taona sy enim-bolana sy Rakotoarisoa Nekena Jeremia izay noraisin’ny orinasam-pifandraisan-davitra Airtel an-tanana. Naharitra 15 minitra isanisany ny fandidiana azy mirahalahy ireto
Fivontosana mitombo eo amin’ny faritry ny kibo noho ny tsy fahatomombanana ara-taova mampitohy ny tsinay amin’ny fitaovam-pananahana no azo hamaritana ity karazan’aretina mpahazo ny ankizilahikely sy ankizivavikely matetika ity, hoy ny dokotera mpandidy Andriamihaja Rolland. Mety hitarika any amin’ny fahafatesana ny tsy fandidiana ara-potoana ity karazana lavaka tsy mikatona tsara fahita eo ambanin’ny foatra ity. Ny antony dia mety ho tampin’ny tsinay ilay lavaka ka manakenda ny fivoahan’ny fivalanana. Manatombo avo dimy heny amin’ny zazavavikely ny isan’ny zazalahikely Malagasy voan’ny «hernie», araka ny fanampim-panazavana nomen’ny dokotera mpitsabo. Vita hasoavana nandritra io fotoana io ihany koa izy roalahy kely ireto. Nanomana 1,5 tapitrisa ariary moa ny orinasa serasera tamin’ny fikarakarana ny lany rehetra. Tafiditra ao amin’ny hetsika ara-tsosialy «Village Airtel» izay hitohy any amin’ireo faritra fito manerana ny nosy amin’ny volana oktobra mialoha ny hiverenana eto an-drenivohitra amin’ny taona ho avy moa ny fanampiana azy mirahalahy kely ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.