Tsy misy toerana izay tsy ahitana mpifoka rongony intsony amin’izao.
Ireo tovolahy kely mbola mpianatra no tena maro an’isa amin’izy ireny toy ireo tratra teny amin’ny Cite des assureurs Itaosy omaly. Raha iny mbola variana tsara maka bika manao basket iny ireo zandary, ireo tovolahy mpianatra kosa makamaka saina mifoka rongony miandrandra mafy ny lanitra. Nitohy tamin’ny famonosan-dry zalahy rongony izany ka noraisim-potsiny ireto farany. Nampita hafatra avy hatrany tamin’ny Ray aman-dReny ireo zandary mba samy hanara-maso ny zanany na dia sarotra sy mangidy aza ny fiainana. Toraka izany koa ireo tovolahy mpianatra izay nampahatsiahivin’izy ireo fa tsy mety amin’ny fahasalamana ny rongony. Voararan'ny lalàna ihany koa hoy izy ireo ny mitahiry, mifoka, ary mivarotra rongony. Mbola voararan'ny lalàna ihany koa ny hoy izy ireo tatouage hatao photo de profil amin’ny tambajotran-tserasera facebook satria heverina ho manao dokam-barotra izay manao izany.
Pati
Legende : Ireto noraofina ireto izy telolahy tratra nifoka rongony teny amin’ny Cite Itaosy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.