Ny natao hitsikitsika hivavahana indray no nifaoka zanak’akoho tany Amparafaravola.
Vola an-tapitrisany no nanjavona tsy fantatra hoe natao inona ? Volan’ny fikambanan’ny beantitra ao Amparafaravola izy io ka zandary misotro ronono no nampiandraiketina ny fitehirizana azy. Noho izy mpitandro ny filaminana dia nahazo fahatokisan’ireo beantitra eo amin’ny toeran’ny mpitahiry volan’ny fikambanana. Izay fahatokisana azy izay anefa no nohararaotiny nentina nanodinkodinana ny volan’ny fikambanana. Tany ampiandohana dia nizotra soamantsara ny fitantanana ny vola ka izay no nahavoafitaka ireo beantitra namany taty aoriana. Nisy nahatsikaritra ihany anefa izay fanodinkodinam-bola nataon’ity mpitandro ny filaminana ity ka raikitra ny fitoriana azy teny anivon’ny polisy. Taorian’ny famotorana natao azy dia nidoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka ity zandary nanaotao foana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.