Actualités

Zandary mamo nitondra moto Nifatratra tamin’ny vatan-kazo, tsy tana ny ainy


  • Talata 23 Jona 2015

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namono olona indray tamin’ny lalam-pirenena fahasivy, ny harivan’ny alahady teo

 

, tokony ho tamin’ny dimy ora latsaka tany ho any, tao Mangily Ifaty, distrikan’i Toliara II. Zandary iray 30 taona, mitondra ny galona GP2C, miasa ao amin’ny kaompanian’i Toliara no maty minitra vitsy taorian’ny fianjerany tamin’ny moto nentiny. Raha ny fanazavana azo tamin’ny angom-baovao tamin’ny fandalovanay tany an-toerana, fotoana fohy taorian’ny nisehoan’ny loza, dia niara-nanala azy tamin’ireo mpiara-miasa taminy ity zandary namoy ny ainy sendra nandalo tany Ifaty ity, nanararaotra ny andro fetin’ny ray.

Nandeha mafy ary nanidina

Mety niakatra angamba ny toaka nosotroina, ka nandeha mafy (nanao point) nitsapa ny herin’ny soavalivy nentiny. Nanidina ary nifatratra tamina vatan-kazo iray tsy lavitra ny biraon’ny zandary ao Mangily Ifaty. Teo amin’ny lohany no voa mafy ary nijininika ny ra. Nentina haingana novonjena tany Toliara, nefa teny an-dalana dia tapitra ny ainy. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia zokin’ilay mpianatra ho zandary 25 taona, izay mamo ihany koa nandeha mafy tamin’ny moto, vaky loha sy potika tarehy nifatratra tamina kamiao iray nijanona teo an-tsisin-dalana, tamin’ny lalana mihazo ny oniversite Maninday Toliara, ny 6 jona lasa teo, ity zandary nindaosin’ny fahafatesana ity.

 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT