Maty voatifitry ny dahalo tany Betroka ny 13 oktobra lasa teo ny zandary iray kilasy faharoa Ralaivao René Germain, vao erotrerony tokoa. Nandritra ny fifanenjehana tamin’ny dahalo tany Betroka no nahalavo azy, ka raha ny fanazavana azo teo anivon’ny seraseran’ny zandarimariam-pirenena, dia mody nifangaro tamin’ny fokonolona ireo dahalo ka nodidiny ho eo afofoany ity zandary ity avy eo.
Notsatotsatohina ny lefona ny tongony, ary rehefa nahita an’iny ny namany dia nitifitra, ka dahalo 3 no maty. Fotoana vitsy taorian’io dia nisy indray ny fifandonana ka dahalo iray no maty satria tonga ny USAD (Unité Special Anti-dahalo) avy any Betioky nitondra angidim-by nanampy tamin’ny fifehezana ireo malaso. Navotana ilay zandary naratra mafy, ary nentina tamin’ny angidim-by mihitsy namonjy toeram-pitsaboana saingy be loatra ny ra very, ka tsy tana ny ainy. Rehefa nandre ity vaovao ratsy nahafaty ny zanany ity kosa ny renin’ilay zandary, dia narary tampoka sy safotra. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana saingy omaly vao maraina, dia tsy tana ny ainy. Fahoriana roa sosona, araka izany, no nahazo ny fianakavian’izy mianaka ireo. Mampiteny ny moana ny resaka asan-dahalo ao Betroka amin’izao fotoana. Maro ny resaka mivoaka momba ny fisian’ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny manampahefana sy ny dahalo, ary efa nisy fotoana namaky bantsilana izany ny mpitandro filaminana. Efa nilaza ihany koa ny Filohan’ny Mpanolontsaina Monisipaly ao amin’ny Kaominina Betroka fa tsy afa-miala amin’ny raharaha mikasika ny tsy fandriampahalemana any an-toerana ny Depioten’i Betroka Nicolas Randrianasolo satria olona akaiky azy no nahatrarana akora simika fanamboarana bala hamatsiana ny dahalo milanja 211 kg. Ny iray “madco” amin’io akora io dia hahavitana bala 70, ka manodidina ny 250 000 ny bala azo amin’ny 211kg, raha atao ny kajikajy. Tsy atao mahagaga raha mahery vaika ny dahalo satria mety ampahany amin’ireo ampiasainy ihany iny sarona iny. Nangina ny raharaha ary nilaza ny tsy hipetra-potsiny amin’ny zavatra ambarany ho fanasoketana azy ny ilay depiote akaiky ny HVM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.