Actualités

Zandarimariam-pirenena Nanara-maso akaiky ny asa ny lehibe


  • Talata 14 Aprily 2020

Nidina ifotony tany amin'iny lalam-pirenena voalohany iny ny jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka, ny faran’ny herinandro nanoloana ny asa mankadiry nosahanin'ny zandarimaria nandritra ny fetin’ny Paska teo izay mbola ao anatin'ny fihiboana tanteraka.

 

 

 Nitsirika sy nankahery ary manome tosika ireo zandary eny an-tsehatra izy nandritra izany ka teny an-dalana (Arivonimamo, Miarinarivo, Analavory, Ankadinondry, Tsiroanomandidy), no nisantarany izany narahina fanomezana solon-tsakafo sy aro-vava. Nisy ihany koa ny fanomezana lela-vola enti-miasa (logistique) ho an'ny vondron-tobim-pileovana zandarimaria Itasy sy Bongolava. Marihina moa fa ny vondron-tobim-pileovana rehetra manerana ny Nosy dia efa samy nahazo ny azy avokoa (Carburant et indemnités). Tsy adinon'ny Jeneraly Komandin'ny Zandarimaria sy ny Ramatoa vadiny ihany koa ny nitsidika ny AKANY fitaizana ireo zaza kamboty "Centre de l'Ophelinat de la Gendarmerie Nationale (COGN)"ao Arivonimamo nandritra izany, fotoana izay nahafahan'izy ireo nanao fanentanana ny amin’ny tokony hanajàna ny fihibohana sy nizaràna aro-vava ary nanomezana lelavola nentin’izy ireo nikarakarana ny sakafo nandritra ny fetin’ny paska teo.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT