Hahatairana ny an’ireo mpikirakira tambazotran-tserasera omaly nahita ny fanambarana avy amin’ny fiadidiana ny zandarimariam-pirenena mampitandrina ireo olompirenena mafimafy fanehoan-kevitra.
Tsy fanaon’ny zandarimaria ilay izy, raha ny fanehoan-kevitry ny maro saingy nahagaga ihany satria dia notononina manokana mihitsy ny anaran’Andriamatoa "Beari Nirina Marcellin" izay nolazaina fa nanao fanehoana miendrika fanalam-baraka, fanelezana vaovao tsy marina mitarika fanakorotanana saim-bahoaka, fihantsiana sy fanavaham-pinoana sy fihaviana ary fanavakavaham-poko , fankahalàna ny filoham-pirenena sy ny mpitondra fanjakàna, araka ny horonan-tsary navoakany ny faha 13 sy 18 aprily 2020 tao amin'ny tambazotran-tserasera "Facebook". Ny Zandarimariam-pirenena dia natao hiaro ny Andrim-panjakana sy ny olona ary ny fananana, hoy ny fanambarana, koa mampitandrina io olona io fa tsy hilefitra amin'ny fandikan-dalàna maro sosona toa an’izany. Navoaka izao fampitandremana izao satria efa maro ny fitaomana olona hizara ny horonan-tsary izay nataony. Ny Malagasy tsirairay dia manan-jo malalaka hamoaka hevitra fa tsy manan-jo handika lalàna. Nampahatsiahivin’ny fiadidiana ny zandarimaria ireo andinin-dalana mamaritra izay fandikan-dalana izay toy ny andininy faha 20 ao amin’ny lalana vaovao laharana 2016-031 ny 15 jolay 2016 manitsy sy mameno ny laharana 2014-006 mikasika ny fanalam-baraka an-tambazotran-tserasera; ny resaka fanelezana vaovao tsy marina ao amin’ny lalana laharana 2016-029 ny 14 jolay 2016 mikasika ny sata mifehy ny fifandraisana, ny resaka fihantsiana fankahalana ao amin’ny andininy faha 26 ny lalana laharana 2016-029 ny 14 jolay 2016 ao anatin’izay sata mifehy ny fifandraisana izay hatrany sy ny andininy faha 91 andalana faha 3 ao amin’ny fehezan-dalana famaizana ary ny resaka firaisana tsikombakomba sy fanohintohinana ny filoham-panjakana sy ny governemanta ao amin’ny andininy faha 91 andalana faha 3 ao amin’ny fehezan-dalana famaizana. Fampitandremana voalohany sady farany ity, hoy hatrany ny fiadidiana ny zandary.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.