Actualités

Zandarimariam-pirenena Jeneraly 4 lasa nisotro ronono


  • Alarobia 04 Novambra 2020

Notontosaina omaly 03 novambra teny amin'ny Toby Ratsimandrava ny lanonana fanaovam-beloma ara-miaramila ireo jeneraly efatra mirahalahy eo anivon'ny Zandarimaria handeha hisotro ronono, dia ny jeneraly Ranaivoson Gabin, ny jeneraly Rakotomahanina Florens, ny Jeneraly Tsirivelo Nicolas ary ny jeneraly Andriamanana Maherizo.

 

 

 

 Nanana andraikitra goavana teo anivon’ny zandarimaria avokoa izy ireo, ary saika nalaza avokoa ny anarany. Tonga nanontrona izany lanonana izany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Richard ary nanao teny fisaorana sy fankasitrahana ho fanajana azy ireo noho ny asa vitany. Teo ihany koa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Ravalomanana Richard. Naneho hevitra ny Jeneraly Tsirivelo Nicolas ka, « Aoka mba hojerena ihany fa ny mpitandro filaminana tsy natao hiaro fitondrana iray, fa miaro ny andrim-panjakana. Tsy manaonao foana ny ato amin’ny zandarimaria,… Tsy misy tombotsoa manokana ny asa, fa fiarovana ny andrim-panjakana. Ny foloalindahy tsy natao hiarovana an’i Ranona sy Ranona », hoy izy. Isan’ny notsiahiviny ny fanenjehana sy fanagadrana tamin’ny 2002. Saika niseho foana ny tahaka io, toy ny taorian’ny raharaha 2009 nisiana fanenjehana sy fanagadrana manamboninahitra, izay ahafaha-milaza fa tafiditra ao anatin’ny raharaha politika tafika ny foloalindahy. Maro ny dosien’ireo manamboninahitra lasibatry ny krizy politika mangataka fanonerana amin’ny alalan’ny CFM.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT