Actualités

Zanaky ny faritanin’I Fianarantsoa “Tandrovy hatrany ny firaisankinantsika”


  • Alakamisy 02 Martsa 2023

Noho ny fahatontosan’ny hetsika lehibe fifampiarahabana tratry ny taonan’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’I Fianarantsoa na FIZAFAFI

ny 25 febroary 2023 teo dia nanao teny fisaorana ireo rehetra niara-nisalahy tamin’izany tetsy Ambatoroka omaly ny solontenan’ity fikambanana ity eto Antananarivo. Tamin’ny anaran’ny birao nasionaly izaty tarihin’ny filohan’ny fikambanana, Christine Razanamahasoa, ireo ray aman-dreny ary ara-drazana ao amin’ny faritanin’I Fianarantsoa, noho izany, no nitondran’izy ireo izay fisaorana izay ho an’ireo nandray anjara rehetra tamin’ny fanatontosana ny hetsika. Notoloran’izy ireo fisaorana ihany koa ny zanaky ny faritany rehetra tsy an-kanavaka manerana an’I Madagasikara. Torak’izany koa ireo raiamandreny am-panahy izay nitondra am-bavaka ny fivoriambe sy hetahetam-pampandrosoana ny faritany. Ankehitriny isika, hoy hatrany ny biraon’ny FIZAFAFI, dia hiroso amin’ny fananganana ny FIZAFAFI manerana ny faritany miisa 6 izany ahitana ny zanaky ny faritra 6 mameno ny faritanin’I Fianarantsoa. Aoka hitandrina toy ny anak’andriamaso ny firaisankina anaty fahasamihafana isika, handala ny fifankatiavana, fihavanana, fifandeferana na dia eo azan y firehan-kevitra maro tsy mitovy, hoy hatrany ny fanambarana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT