Zanak’i Mahabako Miray

Miantso ireo zanaky ny faritra monina eto Antananarivo hiray hina


  • Alarobia 17 Aprily 2024

Hanampy tosika ara-bola amin’ny fiveloman’ny mpikambana ny biraon’ny Zanak’i Mahabako

miray entina hampitomboana ny tetibolan’ny fikambanana ka amin’ny alalan’ny fanomezana fampindramam-bola averina miaraka amin’ny zanabola no hozaraina amin’ny olona izay vonona hampiasa vola, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Tontosa tetsy amin’ny EPP Antanimbarinandriana ny alahady teo moa ny fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao nataon’ity fikambanana ity. Nilaza ny filohan’izy ireo fa isan’ny zava-dehibe tamin’ity fotoana ity ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fijoroan’ny birao vaovao izay hitondra ny fikambanana ary tarihin’ny filohany, Marcel Alexandre Razafimandimby. Betsaka, hoy ity filoha ity, ny tombotsoa ho an’ny olona miditra ao anatin’ny fikambanana. Isany ny fanampiana ireto farany rehefa tratran’ny fahasahiranana sy ny fahafatesana any amin’ny tany lavitra, ny fahafantarana ny mombamomba ny mpikambana, izay manamora ny fitadiavana azy raha sendra misy zavatra ilana azy maika, manampy amin’ny fitadiavana asa sy ny fivelomana ary ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny fiainan’ny mpikambana tsirairay, ny fisitrahana tolo-tanana ara-tsosialy sy ny maro hafa. Tsy hitsahatra ny hetsika entina hanatsarana ny kitapom-bolan’ny fikambanana manomboka amin’ity taona ity ary hikarakara alim-pandihizana ho an’ny tanora ny birao mba ahafahana mampiombona sy manamafy ny firaisankinan’ireto farany amin’ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny fikambanana. Nijoro ny 13 martsa 2018 ny Zanak’i Mahabako miray ary ahitana mpikambana miisa 100 avy amin’ny kaominina Mahabako, Fenomby, Onilahy, Sahasinaka manaraka ny lalam-by « Fianarantsoa cote Est », distrikan’i Manakara, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fampahatsiahivana natao. Izao kosa vao afaka nifampitaona indray taorian’izay taona maro sy vokatry ny nafitsoky ny valanaretina izay mba ho fampahafantarana fa misy eto Antananarivo ny fikambanana ka miantso ireo zanak’iny faritra iny monina eto mba hiray hina hiditra ao anaty fikambanana mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny tsirairay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT