Actualités

ZAH@GEEK 2.0 Tanora 150 isa no nahita asa teo noho eo


  • Alatsinainy 03 Jolay 2023

Efa miditra tanteraka ao anatin’ny tontolon’ny nomerika isika eto Madagasikara ankehitriny.

Natao hanampiana indrindra ireo tanora efa misehatra amin’izany, indrindra fa ny fikirakirana ny informatika dia nisy ilay Salon des emplois du numérique à Madagascar mitondra ny anarana hoe : Zah@Geek 2.0. Tetsy amin’ny garan’i Soarano no nanatanterahana izany nifarana tamin’ny Sabotsy teo rehefa naharitra roa andro. Ny Orange Digital Center Madagascar no nikarakara ny hetsika ka orinasa manodidina ny 30 isa no nandray anjara tamin’izany, izay nanolo-tanana ireo tanora manana diplaoma mitady asa avy hatrany. Mihoatra ny 3.000 isa kosa ireo tanora tonga nanatrika izany, izay marihina fa vao herotrerony avokoa ny ankamaroany raha mihoatra ny 100 ireo karazan’asa natolotra. Tonga nanatrika izany ny Ministry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampandrosoana nomerika Tahina Razafindramalo, notronin’ny Ministry ny fampianarana teknika Rtoa Gabriella Rahantanirina Vavitsara. Tsiahivina moa fa mihoatra ny 1.000 isa ireo CV voaray nandritra izany. Manodidina ny 150 kosa ireo tanora nahita asa teo noho eo. Mikasika ny Orange digital center Madagascar manokana dia fantatra fa tanora an’arivony no efa nomeny fiofanana mikasika ny tontolo nomerika teto amintsika. Maro ireo tetikasa tanterahiny ao anatin’izany toy ny Ecole du code, ny FabLab Solidaire….
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT