Actualités

Vyvato Rakotovao : Hevitra tenierana no hivoahantsika amin’ny krizy


  • Alatsinainy 01 Febroary 2010

Hamaritra zavatra ity herinandro diavina ity. Tapitra amin’ny faran’ny herinandro izao mantsy ny fe-potoana 15 andro nomen’ny Groupe International de Contact ireo ankolafy politika handinihana ny vahaolana narosony hivoahana amin’ny krizy.

 

Maro, araka izany, ny fivoriana na fikaonandoha hiseho, hiatrehana izany. Ny hevitra rahateo tera-bary. Misy ny hatao eny amin’ny Centre de Conférence International Ivato, eo koa ny Loabary an-dasy tsy manavaka etsy amin’ny Carlton. Mikasika ity farany dia nanazava i Vyvato Rakotovao, Sekretera jeneralin’ny tanora Tiako I Madagasikara ary mpiara-miasa amin’i Fetison Rakoto Andrianirina tompon-kevitra amin’ny hanaovana Loabary an-dasy io fa “tsy faharesena sanatria ny fanohizana ny tolona ao anatin’ny filaminana ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny firenena”. Nambarany fa “ny fahendrentsika Malagasy dia mametraka ho ambony ny fahendrena ka sanatria tsy ao anatin’ny korontana sy ny fo sendaotra no ahazoana ny rariny. Filozofiantsika Malagasy ny hoe “ny hery tsy mahaleo ny fanahy”, koa ndeha ataontsika ho filamatra ny fanohizana ny dinika eo amin’ny latabatra boribory ao anatin’ny filaminana sy ny fitiavan-tanindrazana”.
Manipika i Vyvato Rakotovao fa “tsy ao anatin’ny fisavorovoroana no ahafahana mamaha ny olana”, ary nanamafy ny tenany fa “Ho fampiharana ny Satan’ny Tetezamita, nosoniavina tany Maputo, hivoahan’ny firenena Malagasy amin’izao olana ara-politika izao no katsahina amin’ny loabary an-dasy». Mampahatsiahy ity mpanao politika fa “ny vahaolana dia efa vita lasitra tany Maputo sy Addis-Abeba, ny fomba rehetra dia efa vita satria ny ankolafy efatra dia efa samy nametraka ny soniany sy naira-nifanaiky ny amin’izany. Ny fanatanterahana sy ny fampiharana sisa no ilaina».
Nametraka fe-potoana ho antsika Malagasy ny fianakaviambe iraisam-pirenena hatramin’ny 06 febroary izao mba hanoloran’ireo ankolafy efatra ny soso-keviny mba ho fampiharana sy ho fanatanterahana ny fifanarahana tany Maputo sy Addis-Abeba. “Izay indrindra no mahatonga ny loabary an-dasy, mba tsy ho hevitra misaraka sy mifanipaka indray no voarain’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa mba hevitra tokana tenierana misy ny marimaritra iraisana sy mba ho tetezamita iarahana tokoa no hitondra antsika mianakavy ho any amin’ny Repoblika fahefatra sy ny fifidianana mifandraika amin’izany”, hoy ihany i Vyvato Rakotovao.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT