Actualités

Voyage organisé » niazo an’Ampefy Betsaka ireo nilaza fa tsy afa-po kanefa nandoa volabe


  • Talata 11 Aprily 2023

Nanenina avokoa ny ankamaroan’ireo olona namoaka vola saika haka fafiny tamin’ilay fitsangatsanganana iraisana na « voyage organisé »

nokarakarain’ireo antokon’olona sy fikambanana maro samihafa niazo an’Ampefy omaly Alatsinain’ny Paska. Tsy tafiditra tamin’ireo toerana nampanantenaina azy ireo mantsy ny ankamaroan’ireo mpitsangatsangana noho ny hamaroan’ireo mpitsangatsangana hafa avy aty an-drenivohitra tonga andro mialoha tany an-toerana sy ireo mponina teny amin’iny faritra iny. Anisan’ireny ny tany Geyser izay tena rakotr’olona tanteraka. Ny tao amin’ny chute de la Lily sy ny ilot de la vierge ka lohan’olona sisa no nojerena.Raha tsiahivina anefa dia 27.000 Ar isan'olona ka hatramin’ny 55.000 Ar ny vola naloa ho an’ny olona iray arakarak'ilay mpikarakara. Tafiditra tao anatin'io ny saran-dalana sy ny fidirana rehetra tany amin’ireo toerana manan-tantara toa an’i geyser sy chute de la lily. Na izany aza dia tsy tokony ho variana amin’ny fakana volan’olona kosa ireo mpikarakara fa tokony ho fantany fa tsy maintsy be olona ireny toerana manan-tantara ireny rehefa andro fety tahaka izao, indrindra fa ny alatsinain’ny Paska. Sady manome fanafintohinana olona mantsy izy ireo no mety tsy hisy hahatoky intsony ka mety hanimba ny asany izany. Nentina nampialana voly tamin’izay toerana hita fa malalaka fotsiny noho izany ireo mpitsangatsangana.
Nangonin’i Pati
Legende : Hipoka olona ny lalana nankany amin’ny Geyser !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT