VOVONANA TANTANA

Voatendry ny mpandrindram-paritra


  • Alarobia 23 Septambra 2026

ho an’Analamanga sy ny masoivohony

Tsy mitsahatra manatsara ny rafitra misy ao aminy ny Vovonana Tantana hahatraran’izy ireo ny tanjona kendreny dia ny fijoroana hahafahana manohana ny Fitondrana Fanavaozana. Tontosa omaly Talata 22 Septambra ny fanendrena an-dRaharivololoniaina Ninah ho mpandrindram-paritra ho an’Analamanga sy Antananarivo. Toraka izany koa Randrianarisoa Riana ho masoivohon’izy ireo na Ambassadrice. Ny filoha nasionalin'ity vovonana ity Atoa Rakotoniaina Justin no nanolotra ny taratasy manendry azy mirahavavy ireo mba hametraka ny akademian'ny mpitarika hiara-dalana amin'ny Filohan’ny Fanavaozana ny kolonely Randrianirina Mickael. Tanjona ny hisian’ny tena fanavaozana marina, hipaka any amin’ny isam-baravarana. Toràka izany koa ny hametrahana ny fanjakana tsara tantana, ho lavitry ny kolikoly sy ny fitiavantena. Asa goavana hiantsorohan’ireo tompon’andraikitra ao anatin’ny vovonana araka izany ny mihaino, mandinika, manolotra vahaolana ary mandray andraikitra. Amin’izy ireo mantsy dia tsy ampy ny manova olona fa mila dinihina ihany koa ny fanovana sy fanarenana ireo rafitra sy lalana misy eto amin’ny Firenena. Mangataka ny hirosoana haingana amin’ny fanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena araka izany izy ireo hahafahan’ny rehetra manolotra soso-kevitra hahatongavana any amin’ny tena fanavaozana marina. Miantso ny daholobe ho avy hanatevina ny vovonana ihany koa ireo mpikambana, indrindra fa ireo tanora. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly ihany koa ny fijoroan’ny Vovonana Tantana Faritany Antananarivo.
Pati
Legende : Nandritra ny fanendrena azy mirahavavy omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT