Vovonana Firaisankina

« Any anaty latsa-bato no hanasaziana ny Fanjakana jadona »


  • Talata 28 Mey 2024

Nisaotra ny vahoaka Malagasy niaina am-pilaminana ny fampielezan-kevitra ny Firaisankinan’ny Malagasy na teo aza

ny fihantsiana sy fandikandalana nataon’ny mpitondra. Maro ny ambaran’izy ireo fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana, tsy voahaja ny tsy fitanilan’ny Fanjakana sy ny fitovian-jon’ny kandida rehetra, nampiasaina ny fahefam-panjakana, volam-panjakana, mpiasam-panjakana sy volam-panjakana entina hampandaniana ireo kandidan’ny fitondrana. Nohorohoroina ny kandida avy amin’ny fanoherana, ary ny tena loza dia ny mpitondra ambony izay nihaniana hanaja ny lalàmpanorenana sy tokony ho maodely no lohalaharana amin’ny fandikana ireo lalàna velona, hoy i Marc Ravalomanana. Niantso ny vahoaka izay masi-mandidy sy tompon’ny fahefana hanasazy ireo mpandika lalàna ka tsy hampindrana fahefana azy ireo amin’ny alalan’ny fifidianana intsony ny Vovonana Firaisankina. Efa nisy ny fihaonana sy fametrahana taratasy natao teny amin’ny CENI mba hisian’ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fandikan-dalàna, ka niantso io rafitra io handray ny fepetra rehetra hisorohana ny teti-dratsy sy hala-bato ary ny hosoka izay nambaran’ity vovonana ity fa efa homanina ankehitriny. Miantso ny CENI haneho fomba fiasa mangaraharaha. Miverina eo am-pelantanan’ny vahoaka ny fahefafana feno mamaritra ny ho avy, ka miantso ny Malagasy ho tonga maro hanefa ny adidy feno ho an’ny firenena noho izany io vovonana io, ka niantso ny hanasaziana ny fanjakana jadona sy tsy mahomby ary mampahantra ny firenena any anaty latsa-bato ity vovonana ity. Nanentana ny rehetra ho mailo ka hanaraka tsara ny safidiny amin’ny fanaraha-maso ny voka-pifidianana, niantso ny solontenan’ny kandida hanara-maso tsara eny anivon’ny SRMV sy ny CENI. « Nitety an’i Madagasikara izahay, ary tena nahita ireo herisetra sy fandikan-dalàna samihafa, ka inona mihitsy no tian’ny fitondrana hahatongavana ? Horavana ve ny fifidianana sa inona no mampatahotra anareo ? Izany no hanaovanay antso avo ho an’ny kandidan’ny Firaisankina sy ny eo anivon’ny fanoherana rehetra fa tsy mendrika an’izany intsony ny Malagasy sy Madagasikara fa aleo handeha ny safidim-bahoaka, ary entanina ny vahoaka ho saro-piaro amin’ny safidiny, ampy izay ny fanambakana sy fangalarana, ka fotoana izao ha noherantsika izany », hoy kosa i Rivo Rakotovao. Raha toa ka mikiribiby ireo mieritreritra fa tsy refesi-mandidy dia anjarantsika no mandray ny andraikitra tandrify antsika, hoy hatrany izy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT