Fanontaniana lehibe napetraky ny vovonan’ireo sendikan’ny mpiasa eto amintsika na ny CTM-SSM nandritry ny hetsika fanamarihana ny andro ho an’ny asa mendrika izay hankalazaina amin’ity volana oktobra ity ny
sabotsy teo tetsy Analakely ny hoe ahoana no hametrahana asa mendrika eto amin’ny firenena ? Tsotra ny valiny, hoy izy ireo, dia ny hoe tokony hatsahatra ny asa marefo eto amintsika. Iharan-doza ny tontolon’ny asa eto Madagasikara, raha ny fahitan’ireto vovonana ireto azy, ary tsy misy hatreto ny vovonana afaka miampanga ireo mpampiasa. Miaina teritery sy fijaliana anefa ny mpiasa malagasy amin’ny ankapobeny, hoy ireo solontenan’ny sendikan’ny mpiasa aty afrika. Mitentina 150.023 ariary moa, raha ny voalaza, ny karama farany ambany eto Madagasikara izay nofaritan’ny minisitera tompon’andraikitra. Mivelona amina asa tsizarizary sy tsy voaaro ary tsy maharitra ankehitriny ny ankamaroan’ireo mpiasa malagasy, hoy hatrany ny CTM-SSM.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.