Actualités

Vono olona teny Ambohitrarahaba Ankizy 2, lehilahy 1 nidoboka eny Antanimora


  • Sabotsy 14 Oktobra 2017

Olona 6 no niakatra fampanoavana teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy omaly momba ilay raharaha fandrobana sy famonoan’olona ary fakana an-keriny teny Ambohitrahaba ka nahafatesana tovolahy kely izay norasarasaina tamin’ny famaky , notapahin-doha avy eo nesorina ny masony.

Nilatsaka ny didy omaly hariva : miditra am-ponja vonjimaika ireo ankizy 3 (2 lahy sy 1 vavy) voarohirohy ho nandroba no sady namono. Manaraka azy ireo eny Antanimora ihany koa ny rain’ilay ankizivavy anisan’ireo namono. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ireo mpivady nambara fa nampiantrano ilay mpanampy sy nahatrarana azy. Efa tafaverina avokoa ireo vola nangalarina ary nentin’ny zandary teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy omaly natao porofo ireo famaky sy antsy izay namonoana ilay tovolahy. Tsy mbola fantatra kosa ny daty hanatanterahana ny fitsarana. Tezitra sy nihorakoraka ny olona nanodidina ny lapan’ny fitsarana Anosy rehefa nahita ny fahatongavan’ireo 6 mianaka voarohirohy tamin’ity afera mahatsiravina ity. Nilaza ny mpahay lalàna iray fa sarotra ho an’ireo ankizy tsy ampy taona ireto ny ho afaka amin’ity raharaha ity ary mety tena havesatra ny didim-pitsarana hihatra amin’izy ireo. Azo sokajiana ho famonoan’olona efa nomanina niampy fandrobana sy fikambanan-jiolahy mantsy izao zava-nitranga teny Ambohitrarahaba izao ary mbola narahana fakana an-keriny ihany koa. Tsy ho latsaka ny 10 taona an-tranomaizina sazy mihatra, ary mety mbola ho betsaka noho izany aza, hoy hatrany ity mpahay lalàna nanontaniana ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT