Marisarisa ny fandriampahalemana ao Ambatondrazaka. Raim-pianakaviana iray no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana. Rehefa sorena tamin’ny vadiny ity raim-pianakaviana iray dia niala ny tokantranony tao Antanifotsy ka nanorina fonenana vaovao tao Tanambao
. Mpitarika sarety kely no asany ka tapitra mahafantatra azy avokoa ny olona manodidina ny trano fonenany. Ny alatsinainy teo dia gaga ny manodidina fa mikatona ny tranony nefa ny fitaovana fampiasany eo an-tokotany. Rehefa nosokafana ny varavarana, olona mivalampatra efa tsy misy aina no hita tao an-trano. Rehefa nozahana ny momba azy dia ny filahiany no nisy namaofy ka nikirazorazo. Tsy fantatra mazava hatreto izay nahavanon-doza. Efa nanao fitarainana any amin’ny mpitandro ny filaminana omaly ny sefo fokontany.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.