Actualités

Vono olona mahatsiravina Sinoa vavy maty nihosin-dra tao anaty 4x4


  • Zoma 18 Jolay 2014

Vono olona mahatsiravina ! Nisy fiara 4x4 Mazda BT50 double cabine miloko volombatolalaka, fitaratra mainty, mitondra laharana avy any Fianarantsoa, hitan’ny olona nijanona teny amoron-dalan’Ambatonosy, sisintany mampisaraka ny Kaominina Ambohimangakely sy Ankadikely Ilafy nanomboka ny alarobia tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro

Mampiahiahy ny fahitana azy mbola nijanona teo amin’ilay toerana omaly tolakandro, ka rehefa notsililovin’ny olona avy ety ivelany dia hita fa feno ra ao anatin’ilay fiara, ary misy olona mifatotra tongotra misarona teo anoloana, amin’ny seza nadaboka. Samy tonga teny an-toerana ny zandarin’Ambohimangakely sy Ankadikely, niaraka tamin’ny dokotera nijery ny zava-misy sady nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany. Vehivavy teratany Sinoa, manodidina ny 40 taona eo ity maty ity. Notsindronina zava-maranitra ny tendany ary io no heverina ho nitarika ny fahafatesany noho ny fahaverezan-dra be loatra. Mpitantana “Agence de Voyage” eny Behoririka eny izy ity. Ny alarobia tamin’ny fiandohan’ny tolakandro izy sy ny mpamiliny no voalaza fa niala ny toeram-piasana nitondra baoritra nisy vola. Araka ny feo re teny amin’ny toerana nahitana ny razana omaly dia naveriny namonjy ny toeram-piasana ilay mpamily fa nisy Sinoa sy Gasy iray niarahany. Tavela tao anatin’ilay fiara nahitana ny razana ilay baoritra, saingy efa foana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT