Actualités

Vono olona hafahafa any Amparafaravola Feno razana voarasarasa mivalapatra any anaty zetra


  • Talata 19 Aogositra 2014

Mandry tsy lavo loha lava izao ny mponina ao anatin’ny Distrikan’Amparafaravola, indrindra ny ao anatin’ny Kaominina Morarano sy Ambatomainty ary Anororo.

Vono olona no mitranga izay tsy fantatra izay tena antony fa ny faty mivalapatra eny an-tanimbary na any anaty zetra no manaitra ny Fokonolona. Vaky veraka, hoy ny olona miantso ilay izy. Izay manambara fa voarasarasa toy ny hazandrano atao vaky veraka ilay olona tratran’ny jiolahy. Efa am-bolana izao no niaina izany ny mponina any an-toerana. Vokatr’izany, tsy sahy mivoaka harivariva intsony ny mponina, indrindra amin’ireo tanàna telo ireo. Azo ambara fa niitatra any amin’ny Distrikan’Amparafaravola izany ny tsy fandriampahalemana raha tao amin’ny Distrikan’Andilamena no nalaza faritra mena teo aloha. Miantso fandraisana andraikitra avy amin’ny mpitondra mahefa ny mponina any an-toerana. Hampihena ny risi-pon’ny mponina eo amin’ny tontolon’ny fiompiana sy fambolena ny tsy fahitana vahaolana mahakasika io tsy fandriampahalemana io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT