Vonjeo Gasikara

«Aoka ny filoham-panjakàna tsy


  • Alarobia 22 Oktobra 2025

hivoaka amin’ny fahefàna nankinin’ny vahoaka taminy!»

Samy efa niteny isika rehetra fa tsy nisy fanonganam-panjakàna teto, hoy ny vondrona politika Vonjeo i Gasikara. Ny hetaheta tian’ny vahoaka ho ampitaina amin’ireo tomponandraiki-panjakàna tsinona, hoy ny mpahay lalàna mpitarika azy ireo, Alain Mahavimbina, no tsy navelan’ny fanjakàna tamin’izany andro izany, dia ny fitondràn’ny filoha Andry Rajoelina, no nisian’ireny faneriterena niteraka fahafatesan’olona maro, fanimbàna fananan’olona, faharatràn’olona maro noho ny hetahetan’ny vahoaka te hampiseho ny tokony hivoahany ao anatin’ilay fahasahiranany. Hanereny ihany koa, hoy izy, ny mpitondra mahefa hanatanteraka izay heveriny fa mahasoa azy sy ny taranany hoavy. Namaly antso ny miaramila tamin’ireny fotoana ireny rehefa izay no nitranga. Ny fidinan’ny miaramila an-kianja no nampalalaka ny vahoaka naneho hevitra ary niafara tamin’ny fialàn’ny filoham-pirenena, araka ny fanambaràn’ny solombavambahoaka rehefa voaporofo ny fahabangan’ny toeran’ny filoham-pirenena. Rehefa nandray fahefàna ny miaramila dia tsy nandray izany tamin’ny fomba nanaraka ny lalàna fa ny fahefàna nomen’ny vahoaka tamin’ny ampahany ho azo no nampiasainy na ny antsoina hoe «légitimité». Ny dikan’izay dia tsy afaka manao zavatra mihoatra ny sehatra misy izany ny miaramila. Ny vahoaka avy eo manohy ny asa aman-draharahany. Ny asa aman-draharaha hitsinjovana ny taranaka sy hampandrosoana ny tanindrazana dia iarahantsika vahoaka manao fa ny miaramila no manamora azy. Nanambara ny fisian’ny toe-draharaha manokana na «situation exceptionnelle» ny miaramila ny talata hariva. Nanao fanambaràna mikasika ny fandraisan’ny miaramila fahefàna amin’ny antsoina hoe «directoire militaire». Andro manaraka taorian’izay nefa dia nandalo teny amin’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC indray ny fianianan’ilay filoham-panjakàna. Mbola anaty lalàmpanorenana izany ny tany sy fanjakàna no dikan’izay nefa efa nambaran’ny miaramila ny talata hariva fa rava ny andrim-panjakàna rehetra ary izay no tohiny lojika amin’ilay fanambaràna momba ny fisiana toe-draharaha manokana. Nijery hatrany ny singa mifanaraka amin’ny lalàna ny Vonjeo Gasikara ahafahan’ny miaramila miverina amin’ny ara-dalàna. Hita fa nijanona tanatin’ny antsoina hoe «situation d’exception semi-légal» ny zava-misy hatreo. Nanaitra nefa ny filazàn’ny filoham-panjakàna teny Iavoloha fa ny maro an’isa tao amin’ny antenimieram-pirenena no nifidy ny praiminisitra vaovao araka ny andininy faha 54 amin’ny lalàmpanorenana. Raha izay no zava-mitranga dia lasa misandoka ny andraikitry ny filohan’ny repoblika ny filoham-panjakàna kanefa nomen’ny vahoaka amin’ny ampahany fotsiny ny fahefàna. Mitodika amin’ny filoham-panjakàna, Michael Randrianirina, izahay hoe efa nomen’ny vahoaka anao sy ny foloalindahy tarihinao ny ampaham-pahefàna ahafahanao manangana rafitra tantanan’ny miaramila. Iangaviana mihitsy, aoka ny filoham-panjakàna tsy hivoaka amin’ny fahefàna nankinin’ny vahoaka taminy! Ivereno ny fepetra rehetra takian’ny atao hoe «situation d’exception», izany hoe, rava daholo ny andrim-panjakàna rehetra. Na ianareo miaramila mijanona ho tandroka aron’ny vozona, na izy hanome ny fahefàna amin’ny antenimieran-doholona. Tsy avy hatrany dia hitora-bato ny filoham-panjakàna ho mamadika ny tolona isika fa ny vahoaka amin’ny ankapobeny no tsy maintsy hanenjika azy ho namadika vahoaka raha izao no mitohy, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT