Actualités

Vonison Andrianjato Natao fanadihadiana teny Fiadanana


  • Zoma 12 Jona 2020

Nandalo fanadihadiana teny amin’ny sampana mpikaroka ny heloka bevava eny Fiadanana omaly ny Minisitry ny serasera teo aloha Atoa Andrianjato Vonison. Voalaza fa nisoloky sy nangalatra ny fitaovana Soa Radio ny tenany,

 

 

 

 ka nisy nitory. Orinasa izay azy ihany anefa io. Tsy fantatro, ary mbola tsy nahita ireo olona mitory ireo aho, fa ny filazany dia “actionnaires” na manana petra-bola miasa ao anatin’ny radio izy, hoy ity Minisitra teo aloha ity. Ny mpitantana vonjimaika napetraka tao no nolazain’ny mptory fa nifaraka taminy nanokatra ny “action”. Mahavariana izany zavatra izany hoe: ny tompon’ny radio ve mety hangalatra ny radiony? hoy I Vonison Andrianjato. Rehefa nesorina ilay mpitantana dia nasaina nanao “inventaires” sy tatitra ara-bola kanefa tsy nanao izy. Herintaona taty aoriana izahay, dia naka ny radio, ary tsy nitratrevatreva nanontany ny Minisitera, niresaka tamin’ny ARTEC,… ary naka ny “ordonnance” ary niaraka tamin’ny vadin-tany nanala ny entana. Taorian’ny fanadihadiana, dia nambarany fa efa namidin’ny mpitantana ny onjam-peo teo aloha tamin’olon-kafa ny radio. Fifampivarotana izay tsy fantatr’ity minisitra teo aloha ity. Mbola hisy araka izany ny fampanantsoana sy ny fampitahana na “confrontation” an’ireo antontan-taratasy. Raha ny tantara, dia voalaza fa ny taona 1995 no naha tompon’ny onjam-peo novidiany tany La Réunion, ary novainy ho Soa Radio ny taona 2006.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT