Vondron’ny rano sy ala

Miainga avy eny Nanisàna ny fibaikoana


  • Talata 14 Oktobra 2025

Miainga avy eny Nanisàna ny fibaikoana

rehetra ho an’ny vondron’ny rano sy ala manerana an’i Madagasikara mandra-pijoroan'ny rafitra manokana, raha ny fanambaràna nataon'ny Polisin'ala omaly. Raha ny lamina napetraka dia ny olona manamboninahitra ambony indrindra izany fahefana izany, hoy izy ireo, ka ny ''Ingénieur principal des Eaux et Forêts de classe exceptionnelle'', Rabenasolo Solofoniaina Eric Olivier, no manana fahefana amin'izany. Namafisin'izy ireo nandritr’ity fanambaràna nataony ity fa mitohy ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny ala sy ny harena voajanahary eto Madagasikara. Mbola miato koa ny fanomezana fahazoan-dalana amin'ny fitrandrahana ny Ala mandra-pisy lamina vaovao. Manan-kery manomboka izao izany. Nomarihin'izy ireo fa ny fibaikoana no nafindra vonjimaika fa tsy ny fitantanana na ''administration'', raha ny fampitàm-baovao voaray tamin’iny omaly iny hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT