Vondrona SADC

Ela ny ela ka ho tantanana mpitondra niofo ho frantsay…


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2025

Ela ny ela izany ka ho tantanana mpitondra niofo na «naturalisé»

ho frantsay ny vondrona ho fampandrosoana ny aty atsimon’i Afrika na SADC. Niverina an-tsain’ireo mpanara-baovao indray io toe-draharaha nahatonga adihevitra lalina nandritry ny fifidianana ho filoham-pirenena ny taona 2023 io amin’izao akatoky ny fandraisana ny fihaonana an-tampony faha 45n’ity vondrona ity izao. Isan’ny nahatonga ny antsoina hoe «Hetsika fotsy», izay niombonan’ireo kandidà ho filoham-pirenena nahita fa feno hosoka ny fifidianana nokarakarain’ny CENI tamin’ireny fotoana ireny io fivoahan’ny vaovao fa tokony ho very ny zo maha malagasy ny filoham-pirenena ankehitriny io rehefa nanaiky tamin’ny nahim-pony ho lasa frantsay izy kanefa dia mbola neken’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC ihany ny filatsahan-kofidiany. Niray feo, noho izany, ireto kandidà ireto fa tsy handray anjara intsony tamin’ilay fifidianana noho ny fahitan’izy ireo fa be loatra ny hosoka tanatin’izany fifidianana filoham-pirenena izany. Tranga sy antom-pitolomana izay tsy mbola hita teto ambonin’ny tany afa-tsy teto Madagasikara ihany izany, raha ny fantatra hatreto aloha, saingy nanaiky ny zava-misy ihany moa ankehitriny ireo nanohitra sy nandray anjara tamin’izany hetsika izany ka dia ela ny ela ka ho tantanana mpitondra niofo ho frantsay, araka izany ity SADC ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT