VONDRONA EOROPEANINA

Manampy amin’ny fampiroboroana ny tontolo ambanivohitra


  • Alarobia 18 Septambra 2024

Miezaka mitady hevitra hivoahan’i Madagasikara amin’ny olana ara-tsosialy sy ekonomika misy

eto amintsika ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ny Famatsiam-bola Eoropeana ho an’ny Fampandrosoana na ny FED. Nanolotra famatsiam-bola mitentina 492 tapitrisa Euros ho an’i Madafasikara izy ireo amin’ny alalan’ny PIN na Programme Indicatif National. Mifanohana amin’ny fitantanana io vola io ny BACE na ny Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure mba tena hisy fiantraikany eny ifotony izany miaraka amin’ny Ministry ny teti-bola sy ny toe-karena. Voakasik’izany manokana ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra ho enti-miady amin’ny fahantrana. Tanjona ny hahafahana manohana ireo olona tena marefo miaina eny ambanivohitra sy hahafahana miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo izay tena mahazo vahana tokoa eto amintsika vokatry ny fahasahiranana. Fandaharan’asa telo no tafiditra ao anatin’izany dia ny fandaharan’asa Rindra, ny fandaharan’asa AFAFI Nord ary ny AFAFI Centre sy ny AFAFI Sud. Ho an’ny AFAFI Nord manokana dia ny Faritra SAVA sy DIANA ary Analanjirofo no hiasany manokana. Anisan’ny asa maika efa notanterahiny ohatra fikarakarana ny ao Andavakatsantsa sy ny ao Ambananitelo, amin’ireo karazana foto-drafitrasa tena ilain’ny tantsaha . Misy ihany koa ny fanamboarana ny toho-drano ao SAVA hanatsarana ny fahazoan’ny tantsaha rano. Ireo tantsaha mpamboly vary sy akondro ary mpiompy trondro no tena ezahina mahazo tombontsoa amin’izany amin’ny alalan’ny tetikasa SahandrialaVohajaryKendrenaHaharitra na ny Savokha miampy ny fanampiana ireo fikambanana mpitantana ny rano... Tsiahivina moa fa efa tamin’ny taona 2019 no niasa tany amin’ny distrikan’Ambilobe ny tetikasa AFAFI Nord. Karazana ONG maro no nifanome tanana taminy tamin’izany nanampiana ny mponina.
Pati
Legende : Santionany amin’ny asa fanajariana efa nataon’ny AFAFI Nord !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT