Actualités

Vondrona Eoropeanina Hanome vola 310 miliara Ariary avy hatrany


  • Zoma 13 Jona 2014

Araka ny efa notaterina teto dia mitsidika antsika Atoa Andris Piebalgs tompon’andraikitra voalohany momba ny fampandrosoana ao amin’ny Vondrona Eoropeanina, izay nanapa-kevitra ny hamerina ny fiaraha-miasany amintsika.

 Nitsidika an’i Morondava niaraka tamin’ny filoham-pirenena izy omaly, nametraka ny vatofehizoron’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-8 mampitohy an’i Morondava amin’i Belo Tsiribihina mipaka hatrany Bekopaka ary nanamafy fa hanome vola mitentina 97 tapitrisa euros na 310 miliara Ariary mahery an’i Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina mba hanamafisana orina ny fananganana fanjakana tsara tantana sy matanjaka eto. Sehatra maro no ampiasana io vola io, eo ohatra fanentsemana ny banga amin’ny tetibolam-panjakana, ny fanampiana ny fitaovana ilaina amin’ireo sampandahara misahana mivantana ny lafiny ara-tsosialy sy ny fahasalamana, ary ny fanohizana ny fifanakalozan-kevitra politika mitondra mankany amin’ny tena fiovana. Alaina amin’ilay 455 tapitrisa euros ao anatin’ny FED andiany faha 11 io vola fanampiana maika io. Tolagnaro indray no hotsidihan’ity tompon’andraikitra ambony avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ity anio.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT