HCC hisintona ny fanambaràny!»
Manoloana ny fanambaràna nataon’ny vondrona afrikanina sy SADC dia mitodika amin’ny lehibem-panjakàna izahay hoe tsy tokony mbola hidirana ny fianianana, hoy ny Randrana sendikaly omaly. Tokony teren’ny lehibem-panjakàna ny HCC hanoratra, hanery ny vondrona afrikanina sy SADC hoe tokony sintoninareo ny fanambarànareo fa ara-dalàna no nandraisanay fahefàna, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Izahay HCC, hoy izy, no nanome io fahefàna io! Tokony hasongadin’ny Fitsaràna avo momba lalàmpanorenana na HCC izany fa tsy maika hampanao fianianana aloha satria raha hiteny ny vondrona afrikanina sy SADC hoe fanonganam-panjakàna io dia tsy hilamina intsony izany ny fianianana fa hampiaina ivelan’ny lalàmpanorenana na «extraconstitutionnelle». Maika hanao fanambaràna ny afrikanina satria hoe lehiben’ny SADC ny filoham-pirenena tsy nilain’ny olona intsony teto Madagasikara, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.