Nomarihina ny tontolo andron’ny alakamisy 24 aogositra lasa teo teny amin’ny Club Nautique Ivato ny faha-25 taonan’ny SARTM (Syndicat Autonomne pour le Rassemblement de Travailleurs Malgaches) na Sendika mizaka tena ho an’ny fampivondronana ny mpiasa Malagasy.
Mpiasa sy mpampiasa maro mpikambana anaty sendika miisa no 11 tonga nanatrika ny fotoana. Efa mielipatrana manerana ny Nosy ny sendika ankehitriny. Nivoitra tamin’ny resaka nataon’izy ireo fa tsy mandeha ny asa raha tsy misy ny sendika. Tanjona ny hanentana ny mpiasa isaky ny orinasa hanangana izany. Mila miara-miasa ihany koa ny sendika sy ny fanjakana. Nisongadina ny tokony hampiharana ny didim-pitsarana nivoaka nefa tsy tanterahin’ny fanjakana. Mitovy ny tanjona amin’ny samy sendika, ka tsy hilavo lefona fa hitady ny tombontsoa iombonana. Mila arahina ny lalàna mifehy ny asa. Indraindray mantsy dia ny mpampiasa mihitsy no manampin-tsofina. Tsy mihemotra amin’ny tolona izy ireo, ary manamafy hatrany ny hampiharana an-tsakany sy an-davany ny lalàna mifehy ny asa. Nitarika ny fihaonana ny sekretera jeneralin’ny SARTM Ange Leandross Zafinarivomanana sy ny Mpikambana sady mpanorina Andriantsiferana Samoelisoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.