Nanao fihaonana an-tampony tany Fortaleza Brezila ireo filoham-pirenena dimy mandrafitra ny BRICS (Brezila, Rosia, India, Chine ary Afrika Atsimo) ny talata sy alarobia teo
Manan-danja tokoa ity fihaonan’ireo firenena misandratra ara-toekarena ity, nandinihan’izy ireo ny hananganana bankin’ny fampandrosoana sy tahiry iombonana manokana ho an’ny fifanakalozana. Ho an’i Yves Zlotowski, mpahay toekarena eo anivon’ny Coface, dia te hiala eo ambany vahohon’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky Iraisam-pirenena izay fehezin’ny firenena tandrefana, ny BRICS ka hanangana rafitra ara-bola ho azy manokana. Any Shanghaï (Chine) na New Delhi (Chine) no hisy ny foiben’ity bankin’ny fampandrosoana an’ny BRICS ity, ary eo am-piandohana dia tombanana ho 10 ka hatramin’ny 50 miliara dolara ny renivolany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.