Actualités

Volavolan-dalàna momba ny satan-tany Velon’ahiahy ny fiarahamonim-pirenena


  • Sabotsy 04 Novambra 2017

Handalo ary hodinihina eny anivon’ny Antenimieram-pirenena amin’ny talata 7 novambra ho avy izao ny volavolan-dalàna momba ny satan-tany vita titra.

Tsy manda ny tokony hanatanterahana izany ireo fiarahamonim-pirenena raha namory Ben’ny tanàna tetsy Antaninarenina  omaly saingy miantso ireo solombavambahoaka kosa handinika sy hamakafaka tsara mialoha ny handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra. Diso  manome fahefana be loatra ny mpiasa ao amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany  mantsy ilay volavolan-dalàna vaovao io  ary miaro ireo teknisianin’ny fananan-tany, hoy hatrany ireo fiarahamonim-pirenena. Tsy mazava ihany koa ny amin’ny fanaovana titra ny tany. Anisan’ny ahiahian’izy ireo ny mety  hahalasa ho tanim-panjakana ny tany rehetra ao anaty kadasitra raha vao tsy vita hatramin’ny farany raha hihatra ny andininy faha-65. Mikasika ny andininy faha-101 indray dia ambaran’izy ireo fa volavolan-dalàna malaina amin’ny fiarovana ny zon’ny olom-pirenena amin’ny fananany fa ny fiarovana ny mpiasan’ny sampandraharaha ny fananan-tany no tena imasoany. Ampahany ihany ireo, hoy ny filohan’ny SIF Randrianomenjanahary fa maro ny andininy mampiahiahy ny fiarahamonim-pirenena ankehitriny. Raha ny faha-109  indray no ambara dia nantitranterin’izy ireo  fa mety ho mbola betsaka koa ny hosoka amin’ny sehatry ny fananan-tany raha ny endriky ny taratasy fotsiny no asain’ny lalàna jeren’ny conservateur. Nomarihin-dRakotoarisoa Rigobert, filohan’ny Ben’ny tanàna eto amin’ny faritra Analamanga fa tsy tokony hotsinontsinoavina ny Ben’ny tanàna manoloana ny resaka fananantany, toraka izany ihany koa ny sefom-pokontany izay zary hiharan’ny fandrahonana indray  ankehitriny raha misy zavatra tsy mety.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT