Handalo ary hodinihina eny anivon’ny Antenimieram-pirenena amin’ny talata 7 novambra ho avy izao ny volavolan-dalàna momba ny satan-tany vita titra.
Tsy manda ny tokony hanatanterahana izany ireo fiarahamonim-pirenena raha namory Ben’ny tanàna tetsy Antaninarenina omaly saingy miantso ireo solombavambahoaka kosa handinika sy hamakafaka tsara mialoha ny handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra. Diso manome fahefana be loatra ny mpiasa ao amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany mantsy ilay volavolan-dalàna vaovao io ary miaro ireo teknisianin’ny fananan-tany, hoy hatrany ireo fiarahamonim-pirenena. Tsy mazava ihany koa ny amin’ny fanaovana titra ny tany. Anisan’ny ahiahian’izy ireo ny mety hahalasa ho tanim-panjakana ny tany rehetra ao anaty kadasitra raha vao tsy vita hatramin’ny farany raha hihatra ny andininy faha-65. Mikasika ny andininy faha-101 indray dia ambaran’izy ireo fa volavolan-dalàna malaina amin’ny fiarovana ny zon’ny olom-pirenena amin’ny fananany fa ny fiarovana ny mpiasan’ny sampandraharaha ny fananan-tany no tena imasoany. Ampahany ihany ireo, hoy ny filohan’ny SIF Randrianomenjanahary fa maro ny andininy mampiahiahy ny fiarahamonim-pirenena ankehitriny. Raha ny faha-109 indray no ambara dia nantitranterin’izy ireo fa mety ho mbola betsaka koa ny hosoka amin’ny sehatry ny fananan-tany raha ny endriky ny taratasy fotsiny no asain’ny lalàna jeren’ny conservateur. Nomarihin-dRakotoarisoa Rigobert, filohan’ny Ben’ny tanàna eto amin’ny faritra Analamanga fa tsy tokony hotsinontsinoavina ny Ben’ny tanàna manoloana ny resaka fananantany, toraka izany ihany koa ny sefom-pokontany izay zary hiharan’ny fandrahonana indray ankehitriny raha misy zavatra tsy mety.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.