Nivondrona tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra omaly ireo fiarahamonim-pirenena mba hanao fanairana mikasika ny tsy fetezan’ny volavolan-dalàna vaovao mikasika ny fanoratana sy fanaovana titra ny fananan-tany.
Araka ny fanazavana, dia loza ho an’ny vahoaka atsy ho atsy, raha toa ka ekena tsy misy fandinihana tsara ity volavolan-dalàna ity. Hofidiana eny anivon’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza amin’ny 7 novambra izao moa ity volavolan-dalàna ity, raha ny fanazavana. Anisan’ny lesoka hita ao anatiny, ohatra, ny andininy faha-65 izay mahakasika ireo sombin-tany tafiditra ao anatin’ireo nanaovana kadasitra taloha. Ho lasa tanim-panjakana avokoa ireo tany izay ao anaty kadasitra tsy vita hatramin’ny farany, raha ity andininy ity no hampiharina satria voalaza fa omena iray volana ireo olona rehetra manana tombontsoa ao mba hitaky sy hanambara ny zony. Ny tany rehetra izay tsy nanaovana fitakiana dia ho lasan’ny fanjakana avokoa aorian’ny fahataperan’io 1 volana niatomboka ny andro nanaovana petadrindrina eny amin’ny biraon’ny kaominina avy amin’ny filohan’ny fitsarana manokana momba ny tany. Raha mipetraka any Vondrozo, araka izany, hoy ny fanazavana ilay olona ka any Fenoarivo ny taniny dia manahirana ny manenjika io fe-potoana io. Hita ho miaro ny mpiasam-panjakana misehatra amin’ny resaka fananantany ihany koa ny andininy faha-117 ka hatramin’ny faha-120 raha toa ka ny andininy faha-101 natao hiaro ny tompontany dia any amin’ny andininy faha-121 vao hita ny sazy mifanandrify amin’ireo izay manohintohina izany izay tena maivana tokoa, raha ny fahitan’ireto fiarahamonim-pirenena ireto azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.