Nivoaka mpandresy nanoloana ilay karana Bezokiny Christian Claude i Laisoa Jean Pierre na « Jaovato », araka ny didy navoakan’ny Fitsarana ambony na « Cour d’appel » eto Antananarivo omaly 14 oktobra.
Raha hiverenana ny tantara, nolazainy fa tsy nandoa ny vidina andramena na boaderozy mitentina 1 585 408 000Ar nambarany fa efa voarain’i Jaovato ny volana novambra 2012 sy aprily 2013 i Jaovato no anton’ny fitoriana, ary fahazoan-dàlana efa tamin’ny taona 2007 no nahafahany nitrandraka ireo boaderozy ambarany fa tsy voaloa vola kanefa efa noraisin’i Jaovato. Ity farany izay nanda hatramin’ny farany fa tsy nifampiraharaha velively tamin’io karana io. Nanamafy ny tapaky ny Fitsarana ambaratonga voalohany ny 19 septambra teo nampiato ny fanagiazana ny kaontin’i Jaovato any amin’ny banky, fanana sy trano aryy fiaran’ity depioten’Antalaha teo aloha ity taorian’ny fampiakarana nataony ny Fitsarana ambony. Nampiakatra ny raharaha indray i Bezokiny Christian Claude ny 30 septambra, ka nisy ny fitsarana ny 7 oktobra teo, izay nivaly omaly saingy io mbola resy io ihany ity karana ity.
NAMATO-TENA
Raha ny lalàna, efa noraran'ny didy hitsivolana 2011-001 ny 08 aogositra 2011 fa mampigadra 2-5 taona an-tranomaizina ny famarotana na fitaterana izany hazo saro-bidy izany, ary tsy maintsy natao ny fanambarana tahiry, ka ny 07 septambra 2011, dia 11 971 bolabola sy 5 028 efa voatetika ny boaderozin’io karana io. Taty amin’ny 2012-2013 nilaza fa nitatitra sy nivarotra. Samy monina ao Antalaha ny roa tonta, saingy taty Antananarivo no nandeha ny fitoriana. Voalaza fa tsy ao Antalaha intsony ny tahirina andramena 11 971 bolabola sy 5 028 efa voatetika an’I Bezokiny, fa najavona. Ahiana ho fiarovan-tena amin’ny fanjavonan’ireo no nitoriana an’I Jaovato, ary tsy izy irery fa misy mpandraharaha telo hafa, raha ny vaovao azo. Nankaiza marina ny boaderozin’io karana io? Andrasana ny fidirana an-tsehatry ny minisiteran’ny tontolo iainana, Zandarimariam-pirenena, ny Fitsarana miady amin'ny kolikoly, ny Fitsarana manokana momba ny andramena, ny Bianco, ny Samifin,… Voalaza fa tsy nandoa hetra ara-dalàna tamin’ny fitrandrahana andramena io karana io, ary fahazoan-dalàna lany andro tamin’ny 2007 no nampiasainy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.