Volamena miendrika 50 Ariary

Amidy 12 tapitrisa Ariary nanomboka omaly


  • Talata 14 Mey 2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

hoy ny fanamafisam-baovao voaray omaly. Azo jifaina nanomboka omaly moa izy ity, raha tsiahivina. Ho an'ireo izay te hanjifa izany dia mila mitsidika ny tranonkala na « Site» BFM, miaraka amin'ny kara-panondrom-pirenena. Natonta ho mariky ny fankalazana ny faha 50 taonan'ny Banky foiben'i Madagasikara na BFM moa izy ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Isan’ny maha lasa saina sy mampametra-panontaniana mpanara-baovao maro etsy ankilany ny hoe iza na iza avy no mety ho liana ary hividy azy ity? Hitondra inona amin’ny fampandrosoam-pirenena ihany koa ny vola azo amin’izany? Tena hahasoa ny firenena ve ny fanapahan-kevitra tahaka itony sa haitraitra sy werawera toy ny efa hita matetika tao anatin’izao fitondrana izao indray?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT