Volamena 450g voalaza fa tsy ara-dalàna

Tratran’ny “police des mines”, giazana eny amin’ny BFM


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Volamena milanja 450 grama mahery fantatra fa manana taha-pahadiovana mihoatra ny 98% taorian'ny fitiliana teo

anivon’ny laboratoara no tratran'ny polisin'ny harena an-kibon' ny tany sy ny kaomisaria faha 5, boriboritany faha 4, ny faran'ny herinandro teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Tsy nanana taratasy mazava fitazomana, fitondrana ary fivarotana volamena ny olona nahatrarana ireto harena an-kibon'ny tany ireto, hoy ny fanazavana. Tafiditra anatin'ny ady ataon'ny ministera amin'ny tsy fanarahan-dalàna mikasika ny harena an-kibon'ny tany ary tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana ny hetsika famongorana ny tsy ara-dalàna toy izao, hoy ny tale vaovao miandraikitra ny "Direction de la Police des Mines", ny kaomisera Rakotoarimanana Mamy Tiana. Eo am-piandrasana ny valin'ny fanadihadiana dia apetraka eny amin'ny Banky foiben'i Madagasikara ireo volamena tratra, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny eo anivon'ny ministeran'ny harena an-kibon'ny tany manoloana ny tranga fahatrarana sy fanagiazana vato sarobidy sy volamena toy izao sy araka ny voafaritra ao anatin'ny lalàna. Ny vokatry ny fanadihadiana no hahafahana mamantatra izay lalana hizoran’ireto volamena tsy ara-dalàna sy izay mety ho tambajotra ambadik’izany. Manoloana izao fahatrarana volamena tsy ara-dalàna izao, miantso ny olompirenena ny tomponandraikitra hizara vaovao sy hitory raha sendra misy tranga mampiahiahy momba ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany mba ahafahana mijery izany ara-potoana sy handraisana andraikitra manoloana izany. Nifanindry an-dalana tamin'izany dia miantso ny mpisehatra amin'ny harena an-kibon'ny tany hiroso sy hiditra ao anatin'ny sehatry ny ara-dalàna izay hany lalana maha-marin-toerana ny asa tanterahan’ny minisitera, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT