Maty notrongisin’ny omby teo am-pisavihana ka niboraka tsinay ny lehilahy iray mpisavika tao Ambalasoaray Kianjandrakefina ny alatsinainy 01 septambra teo nandritra ny lanonam-paranana ny Volambetohaka andiany faha-12 natao tao an-toerana. Kianja vaovao vao notokanan’ny Minisitry ny kolontsaina sy ny asa tanana ary ny vakoka ny sabotsy 31
aogositra lasa teo ity valan-tsavika nisavihan’omby nahafaty olona sahady ity. Araka ny nambaran’ny mpitsabo tao an-toerana dia vokatry ny ratra be loatra nahazo ity lehilahy ity no nitarika ny fahafatesany. Anisan’ireo vakoka ara-kolontsaina mampalaza ny Faritra Amoron’i Mania ny savik’omby. Tsy maintsy atao izy rehefa Volambetohaka nefa izao nahafaty olona izao. Hoy ny fomba fiteny malaza hoe : ny mahay rano ihany no maty an-drano fa ny tsy mahay tsa hitsoboka ao !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.