Vola sokajian'ny Fanjakana ho tsy ara-dalàna

100 tapitrisa dolara ny "crypto-monnaie" miodinkodina eto


  • Alakamisy 12 Jona 2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

ny ady amin'ny famitsiam-bola sy famatsiana ny asa fampihorohoroana manoloana ny loza sy ambana ateraky ny fipariahan'ny vola nomerika na crypto-monnaie. Ny crypto-monnaie dia marihina fa vola virtoaly iampiasaina amin’ny alalan’ny aterineto. Tsy voafehin’ny banky na fanjakana, fa tantanin’ny rafitra antsoina hoe blockchain. Ohatra amin’izany ny: Bitcoin (BTC), Ethereum (ETH), sns. Afaka mandefa sy mandray vola amin'ny olona maneran-tany, haingana sy mora, tsy mila banky, afaka miakatra ny sandany ka ahazoana tombony fa mety hidina tampoka koa. Tsy misy lalàna manokana mifehy azy eto Madagasikara.Mora ampiasain’ny mpanao hosoka, kolikoly, na famatsiam-bola tsy ara-dalàna,... Araka ny nambaran'ny Tale Jeneraliny, Mamitiana Rajaonarison, dia mahatratra 100 tapitrisa dolara amerikana (eo amin'ny 460 miliara Ariary) no vola amin'ny endrika crypto mivezivezy eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao, kanefa tsy mbola misy lalàna mazava mifehy izany karazana vola izany. Manao fanadihadiana manokana ny Samifin amin'ny sehatra efatra lehibe amin’ny ady amin'ny: Fanadiovana vola (Blanchiment d'argent), Famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana (Terrorisme) ny SAMIFIN, ka ireto avy ireo sehatra anaraha-maso:Asa mifandraika amin’ny crypto-monnaie sy vola virtoaly hafa, Fikambanana tsy mitady vola (ONG, associations), Orinasa manana tombontsoa ara-barotra saingy ahiana ho ampiasaina amin’ny fomba tsy ara-dalàna, Toe-javatra misy fialàna amin’ny sazy ara-bola iraisam-pirenena (sanctions financières). Havoaka amin'ny faran’ny taona 2025 ny vokatry ny fanadihadiana. Raha tsy misy fanovana, dia hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy amin’ny faran’ny taona 2025 ireo vokatra sy toromarika hivoaka amin’ity fanadihadiana risika ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT