Vola azo tamin’ny « Motor show » Nahatratra 80 tapitrisa Ar,

nanampiana ankizy marary 200


  • Talata 09 Aprily 2024

Nitazona ny teny nomeny ireo mpikarakara ilay hetsika fampiratiana fiarakodia raitra dia ny «Motor show » notanterahana tetsy Mahamasina.

Nisy ny fanangonam-bola natao tamin’io hetsika io, izay nambaran’izy ireo fa izay azo dia entina hanampiana ireo ankizy marary amin’ireo Hopitaly lehibe 4 eto Antananarivo dia ny HJRA Ampefiloha, Hopitaly Befelatanana, Hopitaly Ambohimiandra, ary ny Hopitalin’ny ankizy etsy Tsaralalana. Nahangona 80 tapitrisa Ar ny fikambanana tao anatin’ireo 2 andro nandritra ny faran’ny herinandro paska, nanaovana ny fampiratiana, ka nentina nanampiana ankizy marary hatrany amin’ny 200 isa izany, ka omaly no nanoloran’izy ireo azy, izay nahitana fitaovana ilain’ireo ankizy, fanafody, fa teo ihany koa no natokana handraisana an-tànana ireo marary.
Nangonin’i Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT