Actualités

VOKATRY NY SOLON’ANARANA NITOVY NIFONJA TSY FIDINY 07 VOLANA ARY MBOLA HENJEHINA I “VEVE”…


  • Talata 22 Jolay 2014

Fahoriana, fijaliana, ary vola lany no niainan’ingahy “Veve” ny taona 2012 vokatry ny famonjana azy tsy fidiny tamin’ny fitoviana solon’anarana fotsiny. 7 volana izy no nofonjaina vonjomaika izay tsy tao Toamasina nitrangan’ny fisamborana fa teny Antanimora. Noho ireo fikarohana ny marina izay nahalany vola azy mihitsy dia nipoitra ihany izany ka voasambotra ilay tena “Veve” jiolahy notadiavina

Raha hiverenana ny tantara dia nandritra ny fakana an-keriny ny zanaka karana tompon’ny orinasa mpanamboatra savony tao Toamasina “SKT”, no nahatonga ilay anarana “Veve” nipoitra. Tsy nitady lavitra intsony ireo zandary nisahana ny raharaha tamin’izany, fa ity “Veve” tao Mangarivotra ity no avy hatrany no nosamborina. Efa nahazo ny taratasy rehetra “Attestation de non-culpabilite” sy ny “Attestation de distinction” tamin’ny zandary nisambotra azy izy hatramin’ny volana febroary 2013, ary ny “Attestation de bonne conduite” teo anivon’ny fokontany misy azy. Ankehitriny, izay mihitsy no antony nanaovany fanazavana izao, fa manomboka miverina indray ilay anarana “Veve” amin’izao tsy mbola famoahan’ireo mpaka an-keriny ny zanak’Atoa Rafik tompon’ny tranombarotra IST Mangarano, izay anaovan’ireo fianakaviany antso ny hamotsorana azy amin’izao fotoanan’ny “Ramadan” izao

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT