Vokatry ny rotsak’orana

«Echafaudage » lehibe nirodana teny Tsaralalana


  • Talata 16 Janoary 2024

Nitera-pahavoazana indray ny orana nikija omaly teto an-dRenivohitra.

Nirodana tao anaty arabe ny « échafaudage » amin’ny trano amboarina teo Tsaralalana akaikin’ny Bourdon Voyage. Tao anatin’ny orana narahin-tafiotra kely hariva no nisehoan’izany. Nanapaka taribin'ny Jirama moa io, izay tena henjana ny fahavoazana, raha ny tatitra vonjimaika omaly takariva. Matetika isehoana firodanana ny fotoam-pahavaratra tahaka izao, ka tokony ho mailo ny rehetra na ho an’ny fotodrafitrasa vao hatsangana na ny efa mijoro tsara. Fotoana fiakaran’ny rano ihany koa izao, ka hanentanana ny rehetra hanaja ireo fepetra maro samihafa, toy ny fitandroana ny fahadiovana, fanajana ny drafi-panajariana ny tanàna amin’ny fananganana fotodrafitrasa, fampiharan’ny Fanjakana lalàna eo anatrehan’ny fanotorana sy ny fanorenana tsy ara-dalàna,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT