Actualités

Vokatry ny rivodoza Niakatra ho 8 ny maty, 17 tsy hita popoka


  • Alakamisy 26 Janoary 2023

Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.

Ho fandraisana fepetra manoloana ireo traboina marobe manerana ny Nosy no anton’izany. Raha araka ny tatitra azo farany omaly hariva mantsy dia tafakatra 8 hatreto ireo olona namoy ny ainy. Miisa 17 kosa ireo tsy hita popoka ary mbola hifampitadiavana raha tafakatra 43.613 ireo traboina. Ny 14.733 isa amin’ireo no efa nafindra toerana raha miisa 508 kosa ireo trano simba tanteraka. Tsiahivina moa fa faritra miisa 11 no tena voakasik’ity rivo-doza ity hatreto. Miakatra isan’andro araka izany ny vesatra vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso. Mbola tsy mijanona tanteraka mantsy ny ranon’orana hatreto koa inoana fa mbola hitombo isa hatrany ireo traboina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ranobe tahaka izao no hita etsy sy eroa vokatry ny fandalova’ny rivo-doza Cheneso !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT