Vokatry ny rivodoza Gamame

Mikorontana ny toetr’andro any Atsinanan’ny Nosy


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

omaly 26 martsa tamin’ny 05 ora maraina ilay andro ratsy tao amin’ny ranomasimbe Indiania. Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tany amin’ny 150 Km avaratra atsinanan’i Vohemar no nisy ny foibeny. Niakatra ho Forte Tempête Tropicale ny sokajy misy azy. 90 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra mahatratra 125 Km/ora, hoy ny tatitra omaly tolakandro. Mikisaka miadana mianavaratra Andrefana izy ka mahafaka 05 Km/ora. Raha ny antontan-kevitra sy ny fironana farany dia ahiana hivoatra akaiky na hipaka amin’ny morontsirak’i Sava i GAMANE anio tolakandro na ny alina amin’ny tanjaka Cyclone Tropical (150 Km/ora ny rivotra hiaraka aminy). Efa nikorontana ny toetry ny andro any amin’ny tapany avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy nanomboka alatsinainy ary niitatra tamin’ny faritra Analanjirofo izany omaly talata. Ahiana ny tondra-drano sy fihotsahan’ny tany sy lalana amin’ireo faritra marefo noho ny rotsak’orana hikija entiny (mihoatra ny 80mm/24 ora) hatramin’ny Alakamisy 28 Martsa 2024. Ahiana ihany koa ny fiakaran’ny ranomasina amin’ny morontsirak’i Sava manomboka anio Alarobia 27 Martsa 2024, hoy ny Foibe famantarana ny toetr’andro. Tombanana hitondra rotsak’orana betsaka any Atsinanana, Alaotra Mangoro ary ny ilany atsinanan’i Sofia. Tombanana hahatratra 50 hatramin’ny 120 mm ao anatin’ny 24 ora ny tahan’ny rotsak’orana amin’ireo toerana ireo.Nahazo filazana fampitandremana miloko mavo ny Faritra Diana, Sava ary Analanjirofo. Nentanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Antsiranana sy Mahanoro mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza tanteraka. Iangaviana ihany koa ny mampiasa ranomasina eo anelanelan’i Analalava sy Antsiranana mba hitandrina mafy satria mety hikorontana ny toetry ny andro.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT