Actualités

Vokatry ny IMRA Naneho hevitra ny fianakavian’ny Profesora Ratsimamanga


  • Talata 21 Aprily 2020

Tsy vaovao amin’ny malagasy ny fampiasana tambavy sy raokandro fa efa hatrany amin’ny razambe,

 

hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Maitso, Fenosoa Ralandison, izay sady fianakavian’ny Profesora Ratsimamanga. Maro koa ny manam-pahaizana malagasy nandinika izany. Io moa fa tonga ankehitriny ny vokatra. Manao antso avo amin'ny malagasy aho mba hanana fitokisana amin’ny manam-pahaizantsika. Aoka koa isika hanana fitokisana fa manana fanantenana satria ny 80%n’ny zava-maniry eto dia antsika irery ary manana ny singa ahafahana mitsabo sy misoroka karazan’aretina maro. Tsy amin’ny maha fianakaviana Ratsimamanga ny tenako fa amin’ny maha olom-pirenena enti-pahatsorana ahy no hilazako fa tsy vao sambany amin’ny voka-pikarohan’ny IMRA akory ny COVID Organics ka sanatria hitavozavoza amin’izany izy. Aoka mba hanana ny maha izy azy ny Malagasy fa tsy hametrahana baraingo foana ny zava-bitantsika. Ekeko fa aina no resaka ary na inona na inona fanafody dia mametraka ahiahy hatrany saingy matoa navoaka io dia farafahakeliny ao ilay fahazoana antoka azy, hoy hatrany ny tenany.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT