VOKATRY NY HASAROTAN’NY FIAINANA

Na mifandona aza dia mifanompa ny olona


  • Alakamisy 08 Aogositra 2024

Mikorontana tanteraka ny fiainan’ny mpiara-belona eny anivon’ny fiaraha-monina eny amin’izao.

Toa zary lasa mizy krizy ny ankamaroany vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Vao voadona kely fotsiny ny sasany any anaty taxibe dia efa manangam-bovona sy manabe sandry. Toraka izany koa ny eny an-dalana eny. Rehefa sendra maika iny ka misongona ny eo aloha dia efa lasa ady izany raha vao voakasika kely itsy voalohany. Ilay mifampijery tampoka moa dia tsy lazaina intsony. Maso sendra mifanojo dia hifamaliana sy hifanaovana vava tsy tapitra ka zary tsy hita taratra intsony ilay fihavanana Malagasy mandala ny fifanajana sy ny fifandeferana. Raha fehezina dia niova tanteraka ny fiainan’ny Malagasy, tranga tsy mbola nisy sy niainana tato anatin’ny 60 taona. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina psikology iray moa dia nambarany fa efa diso mavesatry ny adin-tsaina loatra ny olona amin’izao manoloana ny fiatrehana ny fiainana. Samy manana ny adiny ny tsirairay raha ny nambarany ary samy miezaka ny mitady vahaolana mifandraika amin’izany. Ny olana anefa hoy izy dia mbola misy zavatra kely tsy mifanaraka amin’ny saina ihany mifanehitra amin’iny fotoana iny antony mahatonga ilay ompa sy teny ratsy ary teny maharary tonga ho azy izay fomba iray entin’ny sasany hanehoana ny havesatry ny ao am-pony sy ny ao an-tsainy.
Pati
Legende : Mila olona manana saina tony sy manana fandeferana eny anivon’ny fiaraha-monina eny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT